4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iriko (feon'anjomara vaovao - FAV) Ecar Manjakaray

IRIKO

Iriko Tompo o!

Ny ho eo ambany elatrao

Ka tsy hanan-tahotra aho

Fa Ianao no miahy

Satriko Tompo o!

Ny mba ho tantananao

Ahitsio ny lalako

Amin’izay lalanao



Ianao no ampingako

Manda fiarovako

Tsy ho ketraka

Tsy ho kivy koa

Na hanenjika ireo tsy tia

Ianao no fiainako

Mandram-pialako ety

Tano aho

Vimbino koa

Tsy ho reraka an-dalana



Iriko Tompo o!

Ny omenao fo vaovao

Fo madio toy ny anao

Feno fitiavana

Satriko Tompo o!

Higoka hasambarana

Ka ny androm-piainako

Fenoin’ ny fahasoavanao





Ianao no ampingako

Manda fiarovako

Tsy ho ketraka

Tsy ho kivy koa

Na hanenjika ireo tsy tia

Ianao no fiainako

Mandram-pialako ety

Tano aho

Vimbino koa

Tsy ho reraka an-dalana

Partager iriko (feon'anjomara vaovao

Commenter iriko (feon'anjomara vaovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FAV) Ecar Manjakaray